Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Lioka 15:18-28 Malagasy Bible (MG1865)

18. Hiainga aho, dia hody any amin'ny raiko ka hanao aminy hoe: Raiko ô, efa nanota tamin'ny lanitra sy teo anatrehanao aho

19. ka tsy miendrika hatao hoe zanakao intsony; fa ataovy tahaka ny anankiray amin'ny olona karamainao aho.

20. Dia niainga izy ka nankany amin-drainy. Fa raha mbola lavitra izy, dia tazan-drainy, ary onena azy izy ka nihazakazaka, dia namihina ny vozony sady nanoroka azy.

21. Ary ilay zanany nanao taminy hoe: Raiko ô, efa nanota tamin'ny lanitra sy teo anatrehanao aho ka tsy miendrika hatao hoe zanakao intsony.

22. Fa rainy kosa nanao tamin'ny ankizilahiny hoe: Alao haingana ny akanjo tsara indrindra ka ampiakanjoy azy; ary asio peratra ny tànany sy kapa ny tongony;

23. ary ento ny zanak'omby nafahy, ka vonoy; ary aoka isika hihinana sy hifaly;

24. fa ity zanako ity efa maty, fa velona indray, ary efa very, fa hita indray. Dia nifaly izy.

25. Fa tany an-tsaha ny zanany lahimatoa; ary nony nody izy ka mby teo akaiky ny trano, dia nandre zava-maneno sy dihy.

26. Ary niantso ankizilahy anankiray izy ka nanontany azy izay anton'izany zavatra izany.

27. Ary hoy ilay ankizilahy taminy: Tonga ny rahalahinao, ka namono ny zanak'omby nafahy ny rainao, satria efa tafaverina soa aman-tsara ato aminy izy.

28. Dia tezitra izy ka tsy nety niditra; ary nivoaka rainy ka nampandroso azy.

Vakio ny toko manontolo Lioka 15