Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Lioka 14:12-24 Malagasy Bible (MG1865)

12. Ary hoy Jesosy tamin'ilay nanasa Azy kosa: Raha manasa olona amin'ny sakafo antoandro na ny sakafo hariva ianao, dia aza ny sakaizanao, na ny rahalahinao, na ny havanao, na ny namanao manan-karena, no asainao, fandrao hanasa anao kosa ireo, ka dia ho voavaliny ianao.

13. Fa raha manao fanasana ianao, dia asao ny malahelo, ny kilemaina, ny mandringa, ny jamba;

14. dia ho sambatra ianao, satria tsy mba manan-kavaly ireo; fa hovaliana kosa ianao amin'ny fitsanganan'ny marina.

15. Ary ny anankiray tamin'izay niara-nipetraka nihinana taminy dia nandre izany ka nanao taminy hoe: Sambatra izay hihinan-kanina ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra.

16. Fa hoy Jesosy taminy: Nisy olona anankiray nanao fanasana lehibe ka nanasa olona maro.

17. Ary naniraka ny mpanompony izy tamin'ny fotoana fisakafoana hilaza amin'izay efa nasaina hoe: Andeha, fa efa voavoatra izao ny fanasana.

18. Fa izy rehetra dia nitovy saina, ka samy nanao fialàna. Hoy ny voalohany taminy: Efa nividy tany aho ka tsy maintsy mandeha hizaha azy; masìna ianao, ekeo ny fandavako.

19. Ary hoy ny anankiray koa: Efa nividy omby folo aho ka handeha hamantatra azy; masìna ianao, ekeo ny fandavako.

20. Ary hoy ny anankiray koa: Efa nampaka-bady aho, koa amin'izany tsy afaka mankany.

21. Ary nony tonga ilay mpanompo, dia nambarany tamin'ny tompony izany. Dia tezitra ny tompon-trano ka nanao tamin'ilay mpanompony hoe: Mandehana faingana ho eny amin'ny lalambe sy ny sakeli-dalana eto an-tanàna, ka ampidiro ny malahelo sy ny kilemaina sy ny jamba ary ny mandringa.

22. Ary hoy ilay mpanompo: Tompoko, efa natao izay nandidianao, ary mbola tsy feno ihany ny trano.

23. Ary hoy ny tompo tamin'ilay mpanompony: Mandehana ho eny amin'ny lalambe sy ny sisim-boly, ka tereo ny olona hiditra, mba ho feno ny tranoko.

24. Fa lazaiko aminareo: Tsy hisy hanandrana ny nahandroko ireny olona nasaiko ireny na dia iray akory aza.

Vakio ny toko manontolo Lioka 14