Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Lioka 14:1-6 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary raha niditra mba hihinana tao an-tranon'ny loholona anankiray amin'ny Fariseo Izy tamin'ny Sabata, dia nizaha taratra Azy ireo.

2. Ary, indro, nisy olona manirano anankiray teo anatrehany.

3. Ary Jesosy namaly ka nanao tamin'ny mpahay lalàna sy ny Fariseo hoe: Mety va ny mahasitrana amin'ny Sabata, sa tsia?

4. Fa tsy niteny ireo. Ary Izy nanendry ilay marary, dia nahasitrana azy ka nandefa azy handeha.

5. Ary Izy nanao tamin'ireo hoe: Iza moa aminareo, raha manana boriky na omby latsaka ao an-davaka fantsakana, no tsy hampakatra azy miaraka amin'izay na dia amin'ny andro Sabata aza?

6. Ary tsy nahavaly ny amin'izany zavatra izany izy.

Vakio ny toko manontolo Lioka 14