Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Lioka 12:5-14 Malagasy Bible (MG1865)

5. Fa hasehoko anareo izay hatahoranareo: Matahora Izay manam-pahefana hanary any amin'ny helo, rehefa novonoiny; eny, hoy Izaho aminareo: Matahora Azy.

6. Tsy eranambatry va no vidin'ny tsintsina dimy? nefa tsy misy hadinoina eo anatrehan'Andriamanitra ireny na dia iray akory aza.

7. Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa. Aza matahotra; fa mihoatra noho ny tsintsina maro ianareo.

8. Fa lazaiko aminareo: Na zovy na zovy no manaiky Ahy eo anatrehan'ny olona, dia heken'ny Zanak'olona kosa izy eo anatrehan'ny anjelin'Andriamanitra;

9. Fa izay mandà Ahy eo anatrehan'ny olona, dia holavina kosa izy eo anatrehan'ny anjelin'Andriamanitra.

10. Fa na zovy na zovy no hanao teny hanohitra ny Zanak'olona dia hahazo famelan-keloka; fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masina dia tsy mba hahazo famelan-keloka.

11. Ary raha mitondra anareo ho ao amin'ny synagoga sy ny mpanapaka ary ny manam-pahefana izy, dia aza manahy izay havalinareo, na izay holazainareo;

12. fa ny Fanahy Masina no hampianatra anareo amin'izany ora izany izay mety holazainareo.

13. Ary nisy anankiray teo amin'ny vahoaka nanao tamin'i Jesosy hoe: Mpampianatra ô, teneno ny rahalahiko mba hizara lova amiko.

14. Fa hoy Izy taminy: Ralehilahy, iza no nanendry Ahy ho mpitsara na mpizara ao aminareo?

Vakio ny toko manontolo Lioka 12