Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Lioka 11:9-17 Malagasy Bible (MG1865)

9. Ary hoy izaho aminareo: Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita ianareo; dondony, dia hovohana ianareo.

10. Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandondòna no hovohana.

11. Fa iza moa aminareo izay ray, raha angatahan'ny zanany mofo, no hanome azy vato? ary raha angatahany hazandrano, no hanome azy menarana ho solon'ny hazandrano?

12. ary raha angatahany atody, no hanome azy maingoka?

13. Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an'ny zanakareo, tsy mainka va ny Ray, Izay any an-danitra, no hanome ny Fanahy Masina ho an'izay mangataka aminy?

14. Ary Jesosy namoaka demonia moana. Ary rehefa nivoaka ny demonia, dia niteny ilay moana; ka dia gaga ny vahoaka.

15. Fa hoy ny sasany; Belzeboba, lohan'ny demonia, no amoahany ny demonia.

16. Fa ny sasany kosa naka fanahy Azy ka nangataka famantarana taminy avy any an-danitra.

17. Fa Izy nahalala ny heviny, dia nanao taminy hoe: Ho foana ny fanjakana rehetra izay miady an-trano; ary ho rava ny ankohonana izay miady an-trano.

Vakio ny toko manontolo Lioka 11