Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Lioka 11:13-22 Malagasy Bible (MG1865)

13. Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an'ny zanakareo, tsy mainka va ny Ray, Izay any an-danitra, no hanome ny Fanahy Masina ho an'izay mangataka aminy?

14. Ary Jesosy namoaka demonia moana. Ary rehefa nivoaka ny demonia, dia niteny ilay moana; ka dia gaga ny vahoaka.

15. Fa hoy ny sasany; Belzeboba, lohan'ny demonia, no amoahany ny demonia.

16. Fa ny sasany kosa naka fanahy Azy ka nangataka famantarana taminy avy any an-danitra.

17. Fa Izy nahalala ny heviny, dia nanao taminy hoe: Ho foana ny fanjakana rehetra izay miady an-trano; ary ho rava ny ankohonana izay miady an-trano.

18. Ary raha Satana koa aza no miady an-trano, ahoana no haharetan'ny fanjakany? Fa hoy ianareo: Belzeboba no amoahako ny demonia.

19. Fa raha Izaho mamoaka demonia amin'ny herin'i Belzeboba, dia amin'ny herin'iza kosa no amoahan'ny zanakareo azy? koa amin'izany dia ho mpitsara anareo ireo.

20. Fa raha ny rantsan-tànan'Andriamanitra no amoahako ny demonia, dia tonga aminareo tokoa ny fanjakan'Andriamanitra.

21. Raha ny mahery mivonona amin'ny fiadiany no miaro ny tranony, dia tsy haninona ny fananany.

22. Fa raha avy kosa izay mahery noho izy ka mandresy azy, dia alainy ny fiadiany rehetra izay nitokiany, ary izay azony ho babo dia zarainy.

Vakio ny toko manontolo Lioka 11