Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Lioka 1:38-56 Malagasy Bible (MG1865)

38. Dia hoy Maria: Inty ny ankizivavin'ny Tompo; aoka anie ho tonga amiko araka ny teninao. Dia nandao azy ilay anjely.

39. Ary Maria niainga tamin'izany andro izany ka nandeha faingana ho any amin'ny tany havoana, ho ao an-tanàna anankiray any Joda;

40. ary niditra tao an-tranon'i Zakaria izy ka niarahaba an'i Elizabeta.

41. Ary rehefa ren'i Elizabeta ny fiarahaban'i Maria, dia nibitaka ny zaza tao an-kibony; ary nofenoina ny Fanahy Masina Elizabeta,

42. dia niantso tamin'ny feo mahery hoe izy: Voatahy samy vehivavy ianao, ary voatahy ny hateraky ny kibonao.

43. Avy aiza no ahatongavan'izao amiko, no mba vangian'ny renin'ny Tompoko aho?

44. Fa, indro, raha vao ren'ny sofiko ny feon'ny fiarahabanao, dia nibitaka noho ny hafaliana ny zaza ao an-kiboko.

45. Ary sambatra ianao izay nino; fa hefaina izay zavatra nampilazain'ny Tompo taminao.

46. Ary hoy Maria: Ny foko mankalaza ny Tompo,

47. Ary ny fanahiko efa ravoravo tamin'Andriamanitra, Mpamonjy ahy;

48. Fa efa nijery ny fahambani-toetry ny ankizivaviny Izy. Fa, indro, hatramin'ny ankehitriny dia hataon'ny taranaka rehetra ho sambatra aho.

49. Fa ny Mahery efa nanao zavatra lehibe tamiko; Ary masina ny anarany.

50. Ary ny famindram-pony dia amin'izay matahotra Azy hatramin'ny taranaka fara mandimby.

51. Nanao asa lehibe tamin'ny sandriny Izy; Nampihahaka ny mpiavonavona tamin'ny fiheveran'ny fony Izy.

52. Nampiala ny lehibe tamin'ny seza fiandrianany Izy, Ary nanandratra ny ambany kosa.

53. Ny noana novokisany soa; Fa ny manan-karena kosa nampialainy maina.

54. Niahy an'isiraely mpanompony Izy, fa nahatsiaro ny famindram-pony

55. (Araka ny voalazany tamin'ny razantsika), tamin'i Abrahama sy ny taranany mandrakizay.

56. Ary Maria nitoetra teo amin'i Elizabeta tokony ho telo volana vao nody tany an-tranony.

Vakio ny toko manontolo Lioka 1