Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Lioka 1:3-9 Malagasy Bible (MG1865)

3. dia sitrako koa, rehefa nofotorako tsara ny zavatra rehetra hatramin'ny niandohany, ny hanoratra izany aminao araka ny filaharany, ry Teofilo tsara indrindra,

4. mba hahafantaranao tsara fa mafy orina ny teny izay nampianarina anao.

5. Tamin'ny andron'i Heroda, mpanjakan'i Jodia, nisy mpisorona anankiray atao hoe Zakaria, isan'ny antokon'i Abia; ary ny vadiny dia avy tamin'ny taranak'i Arona, Elizabeta no anarany.

6. Ary samy marina teo anatrehan'Andriamanitra izy mivady sady nitondra tena tsy nanan-tsiny araka ny didy sy ny fitsipika rehetra nomen'ny Tompo.

7. Ary tsy nanan-janaka izy, fa momba Elizabeta; ary samy efa antitra izy mivady.

8. Ary nony nanao raharaham-pisoronana teo anatrehan'Andriamanitra Zakaria araka ny fifandimbiasan'ny antokony,

9. araka ny fanao amin'ny fisoronana, dia anjarany araka ny filokana ny hiditra ao amin'ny tempolin'ny Tompo ka handoro ditin-kazo manitra.

Vakio ny toko manontolo Lioka 1