28. Ary nony niditra tao aminy ilay anjely, dia nanao hoe: Arahaba, ry ilay nohasoavina, ny Tompo momba anao.
29. Ary taitra loatra izy noho ny teniny ka nieritreritra izay tokony ho hevitr'izany fiarahabana izany.
30. Ary hoy ilay anjely taminy: Aza matahotra, ry Maria, fa efa nahita fitia tamin'Andriamanitra ianao.
31. Ary, indro, hitoe-jaza ianao ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany dia hataonao hoe Jesosy.
32. Izy ho lehibe ka hatao hoe Zanaky ny Avo Indrindra; ary Jehovah Andriamanitra hanome Azy ny seza fiandrianan'i Davida rainy;
33. ary hanjaka amin'ny taranak'i Jakoba mandrakizay Izy; ary ny fanjakany tsy hanam-pahataperana.
34. Ary hoy Maria tamin'ilay anjely: Hanao ahoana re no hahatanteraka izany, fa tsy mahalala lahy aho?
35. Ary ilay anjely namaly ka nanao taminy hoe: Ny Fanahy Masina ho tonga ao aminao, ary hisy herin'ny Avo Indrindra hanaloka anao; koa ny Masina Izay hateraka dia hatao hoe Zanak'Andriamanitra.
36. Ary, indro, Elizabeta havanao dia efa mitoe-jaza koa, na dia efa antitra aza; ary efa mandray enina izy izao, izay natao hoe momba.
37. Fa tsy hisy tsy ho tanteraka ny teny rehetra ataon'Andriamanitra.