Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Kolosiana 1:1-7 Malagasy Bible (MG1865)

1. Paoly, Apostolin'i Kristy Jesosy noho ny sitrapon'Andriamanitra, ary Timoty rahalahy,

2. mamangy ny olona masina any Kolosia, dia ny rahalahy mahatoky ao amin'i Kristy: ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika.

3. Misaotra an'Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika, izahay amin'ny fangatahanay mandrakariva ho anareo,

4. rehefa renay ny finoanareo an'i Kristy Jesosy sy ny fitiavanareo ny olona masina rehetra,

5. noho ny fanantenana izay tehirizina any an-danitra ho anareo, dia ilay efa renareo fahiny tamin'ny tenin'ny fahamarinan'ny filazantsara,

6. izay efa mby eo aminareo, tahaka ny eny amin'izao tontolo izao koa, sady vokatra sy mitombo tahaka ny eo aminareo koa hatramin'ny andro nandraisanareo sy nahalalanareo tsara ny fahasoavan'Andriamanitra araka ny marina;

7. tahaka ny efa renareo tamin'i Epafra, mpanompo namanay sady malala, izay mpanompon'i Kristy mahatoky ho anay,

Vakio ny toko manontolo Kolosiana 1