Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Joda 1:11-19 Malagasy Bible (MG1865)

11. Hahita loza izy! fa efa nandeha tamin'ny lalan'i Kama, sady efa nimaona fatratra hanaraka ny fahadisoan'i Balama hahazoany tamby, ary efa ringana tamin'ny fiodinan'i Kora izy.

12. Ireo no harambato voasaron-drano eo amin'ny fanasam-pifankatiavanareo, raha miara-mihinana aminareo izy, dia mpiandry mamahan-tena, nefa tsy matahotra; rahona tsy misy rano, entin'ny rivotra, ireo; hazo fararano, nefa tsy misy voany, indroa maty, voafongotra;

13. onjan-dranomasina mitopatopa mamorivory ny fahamenarany; kintana mifindrafindra, ka voatahiry ho azy mandrakizay ny fahamaintisan'ny maizina.

14. Ary Enoka koa, ilay fahafito nandimby an'i Adama, dia efa naminany ny amin'ireny olona ireny ka nanao hoe: "Indro, tonga Jehovah mbamin'ny masiny tsy omby alinalina

15. hitsara ny olona rehetra sy hampiaiky ny olona ratsy fanahy rehetra ny asan'ny haratsiam-panahy rehetra, izay nataony tamin'ny haratsiam-panahiny sy ny teny sarotra rehetra izay nitenenan'ny mpanota ratsy fanahy hanohitra Azy."

16. Ireo dia mpimonomonona sy mpimoimoy, mandeha araka ny filany (ary ny vavany manao teny miavonavona loatra) ka mandoka olona mba hahazoany zavatra.

17. Fa tsarovinareo, ry malala, ny teny voalazan'ny Apostolin'i Jesosy Kristy Tompontsika fahiny;

18. fa efa nilaza taminareo hoe izy: Amin'ny andro farany dia hisy mpaniratsira, mandeha araka ny filan'ny haratsiam-panahiny.

19. Ireo no mahatonga fisarahana, dia olona araka ny nofo ihany, fa tsy mba manana ny Fanahy.

Vakio ny toko manontolo Joda 1