Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Joda 1:10-13 Malagasy Bible (MG1865)

10. Fa ireo kosa dia miteny ratsy izay zavatra rehetra tsy fantany akory; ary izay zavatra fantany fotsiny, tahaka ny fahalalan'ny biby tsy manan-tsaina kosa, no animbany ny tenany.

11. Hahita loza izy! fa efa nandeha tamin'ny lalan'i Kama, sady efa nimaona fatratra hanaraka ny fahadisoan'i Balama hahazoany tamby, ary efa ringana tamin'ny fiodinan'i Kora izy.

12. Ireo no harambato voasaron-drano eo amin'ny fanasam-pifankatiavanareo, raha miara-mihinana aminareo izy, dia mpiandry mamahan-tena, nefa tsy matahotra; rahona tsy misy rano, entin'ny rivotra, ireo; hazo fararano, nefa tsy misy voany, indroa maty, voafongotra;

13. onjan-dranomasina mitopatopa mamorivory ny fahamenarany; kintana mifindrafindra, ka voatahiry ho azy mandrakizay ny fahamaintisan'ny maizina.

Vakio ny toko manontolo Joda 1