Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Joda 1:1-9 Malagasy Bible (MG1865)

1. Joda, mpanompon'i Jesosy Kristy sady rahalahin'i Jakoba, mamangy izay olona voantso, malala ao amin'Andriamanitra Ray sy voatahiry ho an'i Jesosy Kristy;

2. hampitomboina ho anareo anie ny famindram-po sy ny fiadanana ary ny fitiavana.

3. Ry malala, raha manao izay zotom-po rehetra hanoratra aminareo aho hilaza ny amin'ny famonjena iombonantsika, dia nisy nahatery ahy hanoratra aminareo, hananatra mba hiezahanareo mafy hiaro ny finoana izay efa voatolotra indray mandeha monja ho an'ny olona masina.

4. Fa misy olona sasany efa niditra misokosoko, izay voasoratra fahiny ho amin'izany fahamelohana izany, dia olona ratsy fanahy izay mamadika ny fahasoavan'Andriamanitsika ho fijejojejoana sady nandà ny Andrian-tokana, dia Jesosy Kristy Tompontsika.

5. Ary ta-hampahatsiaro anareo aho, na dia efa fantatrareo rahateo aza ny zavatra rehetra, fa rehefa novonjen'ny Tompo ho afaka tany Egypta ny olona, dia naringany ihany tao aorian'izany izay tsy nino.

6. Ary ny anjely izay tsy nitana ny anjara-fanapahany, fa nandao ny fonenany, dia voahazony amin'ny fatorana mandrakizay ao amin'ny maizina ho amin'ny andro fitsarana lehibe.

7. Ary toy izany koa, Sodoma sy Gomora mbamin'ny tanàna nanodidina azy, izay nijangajanga tahaka azy koa ka lasa nanaraka nofo hafa, dia aseho ho fananarana amin'ny iaretany fijaliana amin'ny afo maharitra mandrakizay.

8. Kanefa toy izany koa, ireo dia manonofy ka mandoto ny nofo sady mandà ny manana fahalehibiazana ary miteny ratsy ny manana voninahitra.

9. Fa Mikaela arikanjely aza, raha niady tamin'ny devoly ka nifanditra ny amin'ny fatin'i Mosesy, dia tsy sahy niteny ratsy hahameloka azy, fa hoy izy: "Hananatra anao anie Jehovah".

Vakio ny toko manontolo Joda 1