Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jaona 9:20-36 Malagasy Bible (MG1865)

20. Ny ray aman-dreniny namaly ka nanao hoe: Fantatray fa zanakay ity sady teraka jamba;

21. fa tsy fantatray izay nahiratany izao; ary tsy fantatray izay nampahiratra ny masony; izy ihany no anontanio; efa lehibe izy, aoka izy no hilaza ny amin'ny tenany.

22. Izany teny izany no nolazain'ny ray aman-dreniny, satria natahotra ny Jiosy izy; fa efa nifanaiky rahateo ny Jiosy fa raha misy manaiky Azy ho Kristy dia horoahina hiala amin'ny synagoga.

23. Izany no nilazan'ny ray aman-dreniny hoe: Efa lehibe izy, koa izy no anontanio.

24. Dia niantso ilay jamba teo aloha indray izy ka nanao taminy hoe: Omeo voninahitra Andriamanitra; izahay mahalala fa mpanota izany Lehilahy izany.

25. Fa izy namaly hoe. Tsy fantatro na mpanota Izy, na tsia; zavatra iray loha ihany no fantatro: jamba aho teo aloha, fa mahiratra aho izao.

26. Dia hoy izy taminy: Inona no nataony taminao? Nanao ahoana ange no nampahiratany ny masonao?

27. Dia namaly azy hoe izy: Efa voalazako taminareo rahateo, fa tsy nihaino ianareo; nahoana no te-hihaino indray ianareo? Moa te-ho mpianany koa va ianareo?

28. Dia nanevateva azy izy ka nanao hoe: Ialahy no mpianany; fa izahay mpianatr'i Mosesy.

29. Izahay mahalala fa Mosesy no nitenenan'Andriamanitra; fa ny amin'izany Lehilahy izany, dia tsy fantatray izay nihaviany.

30. Ralehilahy namaly azy hoe: Mba mahagaga tokoa lahy izany! fa tsy fantatrareo ny nihaviany, nefa nampahiratra ny masoko Izy.

31. Fantatsika fa Andriamanitra tsy mihaino ny mpanota; fa izay mivavaka aminy sy manao ny sitrapony no henoiny..

32. Hatrizay hatrizay dia tsy mbola re fa nisy nampahiratra ny mason'izay teraka jamba.

33. Raha tsy avy amin'Andriamanitra izany Lehilahy izany, dia tsy mahefa na inona na inona Izy.

34. Ary namaly ireo ka nanao taminy hoe: Tena teraka tamin'ny ota ialahy, ka ialahy indray va mampianatra anay? Dia noroahiny izy.

35. Jesosy nandre fa efa noroahiny ralehilahy; ary rehefa nahita azy Izy, dia nanao hoe: Mino ny Zanak-Andriamanitra va ianao?

36. Ralehilahy namaly ka nanao hoe: Iza moa no Izy, Tompoko, mba hinoako Azy?

Vakio ny toko manontolo Jaona 9