Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jaona 8:49-58 Malagasy Bible (MG1865)

49. Jesosy namaly hoe: Izaho tsy manana demonia, fa mankalaza ny Raiko, ary ianareo kosa mahafa-boninahitra Ahy.

50. Fa Izaho tsy mitady ny voninahitro; misy Iray mitady sy mitsara.

51. Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Raha misy olona mitandrina ny teniko, dia tsy mba hahita fahafatesana izy mandrakizay.

52. Dia hoy ny Jiosy taminy: Fantatray ankehitriny fa manana demonia Hianao. Efa maty Abrahama sy ny mpaminany; nefa hoy Hianao: Raha misy olona mitandrina ny teniko, dia tsy mba hanandrana fahafatesana izy mandrakizay.

53. Moa Hianao va lehibe noho Abrahama rainay izay efa maty? sady efa maty koa ny mpaminany; manao Anao ho iza moa Hianao?

54. Jesosy namaly hoe: Raha mankalaza ny tenako Aho, dia tsinontsinona ny lazako; ny Raiko, Izay ataonareo fa Andriamanitrareo, Izy no mankalaza Ahy.

55. Tsy fantatrareo Izy, fa Izaho no mahalala Azy; ary raha hoy Izaho: Tsy fantatro Izy, dia mba mpandainga tahaka anareo koa Aho; nefa mahalala Azy Aho ka mitandrina ny teniny.

56. Ravoravo Abrahama rainareo hahita ny androko; ary nahita izy ka faly.

57. Dia hoy ny Jiosy taminy: Tsy mbola dimam-polo taona akory Hianao, ka dia efa nahita an'i Abrahama va?

58. Hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Fony tsy mbola ary Abrahama, dia Izy Aho.

Vakio ny toko manontolo Jaona 8