Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jaona 8:44-56 Malagasy Bible (MG1865)

44. Hianareo avy tamin'ny devoly rainareo, ka izay sitraky ny rainareo no tianareo hatao. Izy dia mpamono olona hatramin'ny taloha, ary tsy nitoetra tamin'ny marina, satria tsy misy marina aminy. Raha mandainga izy, dia ny azy no lazainy, satria mpandainga izy sady rain'ny lainga.

45. Fa satria milaza ny marina Aho, dia tsy inoanareo.

46. Iza moa aminareo no mampiseho Ahy ho nanota? Raha ny marina no lazaiko, nahoana ianareo no tsy mino Ahy?

47. Izay avy amin'Andriamanitra dia mihaino ny tenin'Andriamanitra; izany no tsy ihainoanareo, satria tsy mba avy amin'Andriamanitra ianareo.

48. Dia namaly ny Jiosy ka nanao taminy hoe: Tsy marina va ny filazanay fa Samaritana Hianao sady manana demonia?

49. Jesosy namaly hoe: Izaho tsy manana demonia, fa mankalaza ny Raiko, ary ianareo kosa mahafa-boninahitra Ahy.

50. Fa Izaho tsy mitady ny voninahitro; misy Iray mitady sy mitsara.

51. Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Raha misy olona mitandrina ny teniko, dia tsy mba hahita fahafatesana izy mandrakizay.

52. Dia hoy ny Jiosy taminy: Fantatray ankehitriny fa manana demonia Hianao. Efa maty Abrahama sy ny mpaminany; nefa hoy Hianao: Raha misy olona mitandrina ny teniko, dia tsy mba hanandrana fahafatesana izy mandrakizay.

53. Moa Hianao va lehibe noho Abrahama rainay izay efa maty? sady efa maty koa ny mpaminany; manao Anao ho iza moa Hianao?

54. Jesosy namaly hoe: Raha mankalaza ny tenako Aho, dia tsinontsinona ny lazako; ny Raiko, Izay ataonareo fa Andriamanitrareo, Izy no mankalaza Ahy.

55. Tsy fantatrareo Izy, fa Izaho no mahalala Azy; ary raha hoy Izaho: Tsy fantatro Izy, dia mba mpandainga tahaka anareo koa Aho; nefa mahalala Azy Aho ka mitandrina ny teniny.

56. Ravoravo Abrahama rainareo hahita ny androko; ary nahita izy ka faly.

Vakio ny toko manontolo Jaona 8