Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jaona 8:4-20 Malagasy Bible (MG1865)

4. dia hoy ireo taminy: Mpampianatra ô, ity vehivavy ity azo olan-tanana nijangajanga

5. Ary ao amin'ny lalàna Mosesy dia nandidy antsika fa hotoraham-bato izay vehivavy manao toy izany (Deo. 22. 22-24); fa ahoana kosa hoy Hianao?

6. Izany no nolazainy hakany fanahy Azy, mba hahazoany izay hiampangany Azy. Fa Jesosy niondrika ka nanoratra teo amin'ny tany tamin'ny rantsan-tànany

7. Ary raha naharitra nanontany Azy ireo, dia nitraka Izy ka nanao taminy hoe: Izay tsy nanota eo aminareo no aoka hitora-bato azy voalohany

8. Dia niondrika indray Izy ka nanoratra teo amin'ny tany tamin'ny rantsan-tànany

9. Ary raha nandre izany izy, dia nivoaka tsirairay hatramin'ny zokinjokiny ka hatramin'ny zandrinjandriny; ary Jesosy irery ihany no sisa teo sy ilay vehivavy teo

10. Ary rehefa nitraka Jesosy, dia hoy Izy taminy; Ravehivavy, aiza ireny? Tsy nisy nanameloka anao va?

11. Ary hoy izy: Tsy misy, Tompoko. Dia hoy Jesosy: Izaho koa dia tsy manameloka anao; mandehana, ary amin'izao sisa izao dia aza manota intsony]

12. Ary Jesosy niteny tamin'ny olona indray ka nanao hoe: Izaho no fahazavan'izao tontolo izao; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin'ny maizina, fa hanana ny fahazavan'aina.

13. Ary hoy ny Fariseo taminy: Hianao manambara ny tenanao, koa tsy marina ny fanambaranao.

14. Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Na dia manambara ny tenako aza Aho, dia marina ny fanambarako, satria fantatro izay nihaviako sy izay alehako; fa ianareo kosa tsy mahalala izay ihaviako, na izay alehako.

15. Hianareo mitsara araka ny nofo; Izaho tsy mitsara olona na dia iray akory aza.

16. Ary na dia mitsara aza Aho, dia marina ny fitsarako, satria tsy irery Aho, fa Izaho sy ny Ray Izay naniraka Ahy.

17. Ary voasoratra ao amin'ny lalànareo fa marina ny fanambaran'ny olona roa lahy (Deo. 19. 15).

18. Izaho no manambara ny tenako, ary ny Ray Izay naniraka Ahy dia manambara Ahy koa.

19. Dia hoy ireo taminy: Aiza izay Rainao? Jesosy namaly hoe: Samy tsy fantatrareo, na Izaho, na ny Raiko; raha nahalala Ahy ianareo, dia ho nahalala ny Raiko koa.

20. Izany teny izany no nolazain'i Jesosy teo akaikin'ny fandatsahan-drakitra, raha nampianatra teo an-kianjan'ny tempoly Izy; ary tsy nisy olona nisambotra Azy, satria tsy mbola tonga ny fotoany.

Vakio ny toko manontolo Jaona 8