Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jaona 7:47-53 Malagasy Bible (MG1865)

47. Ary ny Fariseo namaly azy hoe: Hianareo koa va voafitaka?

48. Moa misy mpanapaka na Fariseo mba nino Azy?

49. Fa voaozona ireto vahoaka ireto, izay tsy mahalala ny lalàna.

50. Ary Nikodemosy, anankiray teo aminy, dia ilay nankeo amin'i Jesosy teo aloha, dia nanao taminy hoe:

51. Moa manameloka olona va ny lalàntsika, raha tsy mbola mihaino azy aloha ka mahafantatra izay nataony?

52. Izy ireo namaly ka nanao taminy hoe: Hianao koa angaha mba avy any Galilia? Diniho, dia ho hitanao fa tsy mba misy mpaminany avy any Galilia.

53. [Dia samy lasa nody ho any an-tranony avy izy rehetra;]

Vakio ny toko manontolo Jaona 7