Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jaona 7:4-13 Malagasy Bible (MG1865)

4. fa tsy misy olona manao zavatra amin'ny takona, nefa ny tenany mitady ho hita miharihary; raha manao izany zavatra izany Hianao, dia misehoa amin'izao tontolo izao.

5. Fa na dia ny rahalahiny aza tsy nino Azy.

6. Dia hoy Jesosy taminy: Tsy mbola tonga ny fotoako; fa ny fotoanareo dia vonona lalandava.

7. Tsy mahazo mankahala anareo izao tontolo izao; fa Izaho no halany, satria milaza fa ratsy ny asany.

8. Miakara ho amin'ny andro firavoravoana ianareo; fa Izaho tsy mbola miakatra ho amin'ity andro firavoravoana ity; satria tsy mbola tonga ny fotoako.

9. Ary rehefa nilaza izany teny izany taminy Izy, dia mbola nitoetra tany Galilia ihany.

10. Fa rehefa lasa niakatra ho amin'ny andro firavoravoana ny rahalahiny, dia niakatra koa Izy, nefa tsy mba nisehoseho, fa toa niafinafina.

11. Ary ny Jiosy dia nitady Azy tamin'ny andro firavoravoana ka nanao hoe: Aiza Izy?

12. Ary nitakoritsika Azy be ihany ny vahoaka. Hoy ny sasany: Tsara fanahy Izy; fa hoy kosa ny sasany; Tsia; fa mamitaka ny vahoaka Izy.

13. Nefa tsy nisy sahy niresaka Azy miharihary noho ny fahatahorany ny Jiosy.

Vakio ny toko manontolo Jaona 7