31. Ary maro ny vahoaka no nino Azy ka nanao hoe: Raha tonga Kristy, moa hanao famantarana maro mihoatra noho ny nataon'ity Lehilahy ity va Izy?
32. Ny Fariseo nandre ny vahoaka nitakoritsika izany zavatra izany ny aminy; ary ny lohan'ny mpisorona sy ny Fariseo dia naniraka mpiandry raharaha mba hisambotra Azy.
33. Dia hoy Jesosy: Kely foana no itoerako aminareo, dia hankany amin'izay naniraka Ahy Aho.
34. Hitady Ahy ianareo, fa tsy hahita; ary izay itoerako dia tsy azonareo haleha.
35. Dia niresaka hoe ny Jiosy: Hankaiza moa no halehan'ilehity, no tsy ho hitantsika? Hankany amin'izay miely any amin'ny Grika va Izy ka hampianatra ny Grika?
36. Ahoana re izao teny nolazainy izao hoe: Hitady Ahy ianareo, fa tsy hahita; ary izay itoerako tsy azonareo haleha?
37. Ary tamin'ny andro farany, izay andro lehibe tamin'ny andro firavoravoana, dia nitsangana Jesosy ka niantso nanao hoe: Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro.
38. Izay mino Ahy, dia hisy onin'ny rano velona miboiboika avy ao an-kibony, araka ny voalazan'ny Soratra Masina.
39. Ary ny Fanahy, Izay efa horaisin'ny mino Azy, no nolazainy tamin'izany; fa ny Fanahy tsy mbola nomena, satria Jesosy tsy mbola niditra tamin'ny voninahiny.
40. Ary ny sasany tamin'ny vahoaka, raha nandre izany teny izany, dia nanao hoe: Ity tokoa no Ilay Mpaminany.
41. Hoy ny sasany: Ity no Kristy. Fa hoy kosa ny sasany: Avy any Galilia va no ihavian'i Kristy?
42. Tsy voalazan'ny Soratra Masina va fa Kristy dia avy amin'ny taranak'i Davida, sady avy ao Betlehema, vohitra nonenan'i Davida (Mik. 5. 1)?