Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jaona 7:1-9 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary rehefa afaka izany, dia nandeha tany Galilia Jesosy; fa nalain-kandeha tany Jodia Izy, satria nitady hahafaty Azy ny Jiosy.

2. Ary efa akaiky ny andro firavoravoan'ny Jiosy, dia ny amin'ny Tabernakely,

3. ka hoy ny rahalahiny taminy: Mialà eto, ka mandehana ho any Jodia, mba ho hitan'ny mpianatrao koa ny asa izay ataonao;

4. fa tsy misy olona manao zavatra amin'ny takona, nefa ny tenany mitady ho hita miharihary; raha manao izany zavatra izany Hianao, dia misehoa amin'izao tontolo izao.

5. Fa na dia ny rahalahiny aza tsy nino Azy.

6. Dia hoy Jesosy taminy: Tsy mbola tonga ny fotoako; fa ny fotoanareo dia vonona lalandava.

7. Tsy mahazo mankahala anareo izao tontolo izao; fa Izaho no halany, satria milaza fa ratsy ny asany.

8. Miakara ho amin'ny andro firavoravoana ianareo; fa Izaho tsy mbola miakatra ho amin'ity andro firavoravoana ity; satria tsy mbola tonga ny fotoako.

9. Ary rehefa nilaza izany teny izany taminy Izy, dia mbola nitoetra tany Galilia ihany.

Vakio ny toko manontolo Jaona 7