Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jaona 6:1-13 Malagasy Bible (MG1865)

1. Rehefa afaka izany, dia niala Jesosy ka lasa nita ny Ranomasin'i Galilia, dia ny Ranomasin'i Tiberiasy izany.

2. Ary nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy noho ny nahitany ny famantarana izay efa nataony tamin'ny marary.

3. Ary Jesosy niakatra tao an-tendrombohitra, dia nipetraka tao mbamin'ny mpianany.

4. Fa efa akaiky ny Paska, ilay andro firavoravoan'ny Jiosy.

5. Ary Jesosy nanopy ny masony ka nahita fa nisy vahoaka betsaka nanatona Azy, dia hoy Izy tamin'i Filipo: Aiza no hividianantsika mofo hohanin'ireo?

6. Izany no nataony mba hizahany toetra azy; fa izy nahalala ihany izay efa hataony.

7. Filipo namaly Azy hoe: Na dia mofo vidina denaria roan-jato aza tsy ampy azy rehetra hananany kely avy.

8. Ny mpianany anankiray, dia Andrea, rahalahin'i Simona Petera, nilaza taminy hoe:

9. Misy zazalahy manana mofo vary hordea dimy sy hazandrano madinika roa, fa ho ampy inona moa izany amin'izao olona betsaka izao?

10. Fa hoy Jesosy: Asaovy mipetraka ny olona. Ary nisy ahitra be teo. Ka dia nipetraka ny lehilahy, tokony ho dimy arivo no isany.

11. Dia nandray ny mofo Jesosy; ary rehefa nisaotra, dia nizara izany tamin'izay nipetraka hihinana Izy; ary ny hazandrano koa araka izay nilainy.

12. Ary rehefa voky ny olona, dia hoy Jesosy tamin'ny mpianany: Angony ny sisa tsy lany, mba tsy hisy ho very.

13. Dia nangoniny, ka nahafeno harona roa ambin'ny folo ny sombintsombin'ny mofo vary hordea dimy, izay ambiny tsy lanin'ny nihinana.

Vakio ny toko manontolo Jaona 6