Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jaona 5:2-19 Malagasy Bible (MG1865)

2. Ary misy farihy any Jerosalema, eo akaikin'ny vavahadin'ondry, izay atao amin'ny teny Hebreo hoe Betesda, misy fialofana dimy.

3. Tao no nandrian'ny marary maro, ny jamba, ny mandringa, ny mati-ila.

5. Ary nisy lehilahy anankiray teo, izay efa narary valo amby telo-polo taona.

6. Raha nahita azy mandry Jesosy ka nahalala fa efa toy izany ela izy, dia hoy Izy taminy: Te-ho sitrana va ianao?

7. Ilay marary namaly Azy hoe: Tompoko, raha hetsehina ny rano, dia tsy mba misy olona handroboka ahy eto amin'ny farihy; nefa raha mandeha aho, dia misy olon-kafa misosoka eo alohako.

8. Hoy Jesosy taminy: Mitsangana, ento ny fandrianao, ka mandehana.

9. Ary niaraka tamin'izay dia sitrana ralehilahy ka nitondra ny fandriany, dia lasa nandeha. Ary Sabata izay andro izay.

10. Dia hoy ny Jiosy tamin'ilay efa sitrana: Sabata ny andro, ka tsy mety raha mitondra ny fandrianao ianao.

11. Fa ralehilahy namaly azy hoe: Ilay nahasitrana ahy no nanao tamiko hoe: Ento ny fandrianao, ka mandehana.

12. Ary ireo nanontany azy hoe: Iza moa izany Lehilahy izany Izay nanao taminao hoe: Ento ny fandrianao, ka mandehana?

13. Fa ilay sitrana tsy nahalala Ary; fa niala teo Jesosy, satria nisy vahoaka betsaka teo.

14. Rehefa afaka izany, dia hitan'i Jesosy teo an-kianjan'ny tempoly ralehilahy, ka hoy Izy taminy: Indro, efa sitrana ianao; aza manota intsony, fandrao hanjo anao izay ratsy noho ny teo.

15. Dia lasa ralehilahy ka nanambara tamin'ny Jiosy fa Jesosy no nahasitrana azy.

16. Ary noho izany ny Jiosy dia nanenjika an'i Jesosy, satria nanao izany zavatra izany tamin'ny Sabata Izy.

17. Fa Jesosy namaly azy hoe: Ny Raiko miasa mandraka ankehitriny, ary Izaho koa miasa.

18. Nefa vao mainka nitady hamono Azy ny Jiosy, tsy noho ny namahany ny amin'ny Sabata ihany, fa noho ny nilazany koa fa Andriamanitra no Rainy, ka nanao ny tenany ho mitovy amin'Andriamanitra Izy.

19. Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ny Zanaka tsy mahazo manao na inona na inona ho Azy, afa-tsy izay hitany ataon'ny Ray; fa na inona na inona no ataon'ny Ray dia toy izany koa no ataon'ny Zanaka.

Vakio ny toko manontolo Jaona 5