Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jaona 3:8-18 Malagasy Bible (MG1865)

8. Ny rivotra mitsoka amin'izay tiany, ary renao ny feony, nefa tsy fantatrao izay ihaviany na izay alehany, dia tahaka izany izay rehetra ateraky ny Fanahy.

9. Nikodemosy namaly ka nanao taminy hoe: Hatao ahoana no hahatonga izany zavatra izany?

10. Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Hianao va no mpampianatra ny Isiraely ka tsy mahalala izany zavatra izany?

11. Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Izay fantatray no lazainay, ary izay hitanay no ambaranay; nefa ny fanambaranay tsy raisinareo.

12. Raha ny zavatra etỳ an-tany aza no nolazaiko taminareo ka tsy inoanareo, ahoana no hinoanareo, raha milaza aminareo ny zavatra any an-danitra Aho?

13. Ary tsy nisy niakatra ho any an-danitra, afa-tsy Ilay nidina avy tany an-danitra, dia ny Zanak'olona, Izay any an-danitra.

14. Ary tahaka ny nanandratan'i Mosesy ny menarana tany an-efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak'olona,

15. mba hanana fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy.

16. Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.

17. Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin'izao tontolo izao hanameloka izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao.

18. Izay mino Azy dia tsy helohina; fa izay tsy mino kosa dia efa voaheloka rahateo, satria tsy nino ny anaran'ny Zanaka-lahy Tokan'Andriamanitra izy.

Vakio ny toko manontolo Jaona 3