Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jaona 18:20-27 Malagasy Bible (MG1865)

20. Jesosy namaly azy hoe: Izaho niteny miharihary tamin'izao tontolo izao; Izaho nampianatra mandrakariva tao amin'ny synagoga sy ny kianjan'ny tempoly, izay iangonan'ny Jiosy rehetra; ary tsy nisy nolazaiko tao amin'ny takona;

21. koa nahoana no manontany Ahy ianao? Ireo nihaino no anontanio izay nolazaiko taminy; fa ireo no mahalala izay nolazaiko.

22. Ary rehefa nilaza izany teny izany Izy, ny mpiandry raharaha anankiray izay nitsangana teo dia namely tahamaina an'i Jesosy ka nanao hoe: Izany va no famalinao ny mpisoronabe?

23. Jesosy namaly azy hoe: Raha niteny ratsy Aho, ambarao izay ratsy; fa raha tsara ihany kosa, nahoana no dia mamely Ahy ianao?

24. Ary dia nasain'i Anasy nentina tamin'ny fatorany ho any amin'i Kaiafa mpisoronabe Izy.

25. Ary Simona Petera nijanona namindro. Dia nisy nilaza taminy hoe: Moa ianao koa mba isan'ny mpianany? Fa izy nandà ka nanao hoe: Tsia.

26. Hoy ny anankiray tamin'ny mpanompon'ny mpisoronabe havan'ilay nokapain'i Petera ny sofiny: Tsy efa hitako teo aminy tao anaty saha va ianao?

27. Dia nandà indray Petera; ary niaraka tamin'izay dia nisy akoho naneno.

Vakio ny toko manontolo Jaona 18