Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jaona 15:1-14 Malagasy Bible (MG1865)

1. Izaho no tena voaloboka, ary ny Raiko no mpamboatra.

2. Ny sampany rehetra eo amiko izay tsy mamoa dia esoriny; fa ny sampany rehetra izay mamoa kosa dia amboariny, mba hamoa bebe kokoa.

3. Efa madio rahateo ianareo noho ny teniko, izay nolazaiko taminareo.

4. Tomoera amiko ary Izaho aminareo. Tahaka ny sampany tsy mahay mamoa ho azy, raha tsy miray amin'ny voaloboka izy, dia toy izany koa ianareo, raha tsy miray amiko.

5. Izaho no voaloboka, ianareo no sampany. Izay miray amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa be izy; fa raha misaraka amiko kosa ianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona.

6. Raha misy tsy miray amiko, dia ariana eny ivelany tahaka ny sampany izy ka malazo; ary angonina izy ka atsipy ao anaty afo, dia ho may.

7. Raha miray amiko ianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny teniko, dia angataho izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany.

8. Izany no ankalazana ny Raiko, mba hamoazanareo be ka ho tonga mpianatro ianareo.

9. Tahaka ny nitiavan'ny Ray Ahy no nitiavako anareo; tomoera amin'ny fitiavako ianareo.

10. Raha mitandrina ny didiko ianareo, dia hitoetra amin'ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin'ny Raiko sy ny itoerako amin'ny fitiavany.

11. Izany zavatra izany dia efa nolazaiko taminareo, mba ho ao aminareo ny fifaliako, ka ho tanteraka ny fifalianareo.

12. Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo.

13. Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany.

14. Hianareo no sakaizako, raha manao araka izay andidiako anareo.

Vakio ny toko manontolo Jaona 15