Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jaona 14:4-17 Malagasy Bible (MG1865)

4. Ary fantatrareo koa ny lalana ho any amin'izay halehako.

5. Hoy Tomasy taminy: Tompoko, tsy fantatray izay alehanao; ka hataonay ahoana no fahafantatra ny lalana?

6. Hoy Jesosy taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako.

7. Raha nahafantatra Ahy ianareo, dia ho nahafantatra ny Raiko koa; ary hatramin'izao dia mahafantatra Azy ianareo sady efa nahita Azy.

8. Hoy Filipo taminy: Tompoko, asehoy anay ny Ray, dia ampy ho anay izay.

9. Hoy Jesosy taminy: Izay ela izay no efa nitoerako teto aminareo, ka tsy mbola fantatrao ihany va Aho, ry Filipo? Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray; koa ahoana no anaovanareo hoe: Asehoy anay ny Ray?

10. Tsy mino va ianao fa Izaho ao amin'ny Ray, ary ny Ray ato amiko? Ny teny izay lazaiko aminareo, dia tsy avy amiko izany lazaiko izany; fa ny Ray mitoetra ato amiko no manao ny asa.

11. Minoa Ahy fa Izaho ao amin'ny Ray, ary ny Ray ato amiko; fa raha tsy izany, dia minoa Ahy noho ny asa ihany aza.

12. Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria Izaho mankany amin'ny Ray.

13. Ary na inona na inona no hangatahinareo amin'ny anarako, dia hataoko izany, mba hankalazana ny Ray eo amin'ny Zanaka.

14. Raha mangataka zavatra amiko amin'ny anarako ianareo, dia hataoko izany.

15. Raha tia Ahy ianareo, dia hitandrina ny didiko.

16. Ary Izaho hangataka amin'ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra hafa mba ho eo aminareo mandrakizay,

17. dia ny Fanahin'ny fahamarinana, Izay tsy azon'izao tontolo izao horaisina, satria tsy hitany na fantany; fa ianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy, ary ho ao anatinareo.

Vakio ny toko manontolo Jaona 14