Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jaona 14:1-8 Malagasy Bible (MG1865)

1. Aza malahelo ny fonareo; minoa an'Andriamanitra, ary minoa Ahy koa.

2. Ao an-tranon'ny Raiko misy fitoerana maro; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho; fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho.

3. Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa.

4. Ary fantatrareo koa ny lalana ho any amin'izay halehako.

5. Hoy Tomasy taminy: Tompoko, tsy fantatray izay alehanao; ka hataonay ahoana no fahafantatra ny lalana?

6. Hoy Jesosy taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako.

7. Raha nahafantatra Ahy ianareo, dia ho nahafantatra ny Raiko koa; ary hatramin'izao dia mahafantatra Azy ianareo sady efa nahita Azy.

8. Hoy Filipo taminy: Tompoko, asehoy anay ny Ray, dia ampy ho anay izay.

Vakio ny toko manontolo Jaona 14