Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jaona 10:4-20 Malagasy Bible (MG1865)

4. Ary rehefa mamoaka ireo rehetra ireo izy, dia mialoha azy; ary ny ondriny manaraka azy, satria mahalala ny feony ireo.

5. Ary ny vahiny tsy harahiny, fa handosirany, satria tsy fantany ny feon'ny vahiny.

6. Izany fanoharana izany no nolazain'i Jesosy taminy, nefa tsy azony izay zavatra nolazainy taminy.

7. Dia hoy indray Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izaho no vavahadin'ondry.

8. Mpangalatra sy jiolahy izay rehetra tonga talohako; fa tsy nihaino azy ny ondry.

9. Izaho no vavahady; raha Izaho no hidiran'ny olona, dia hovonjena izy ka hiditra sy hivoaka sady hahazo hanina.

10. Ny mpangalatra tsy avy raha tsy hangalatra sy hamono ary handringana; Izaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be.

11. Izaho no Mpiandry Tsara; ny Mpiandry Tsara manolotra ny ainy hamonjy ny ondry.

12. Ary ny mpikarama, satria tsy mpiandry na tompon'ny ondry izy, koa raha mahita ny amboadia avy, dia mandao ny ondry ka mandositra, ary ny amboadia misambotra ny ondry ka mampihahaka azy;

13. mandositra izy, satria mpikarama ka tsy mitandrina ny ondry.

14. Izaho no Mpiandry Tsara; ary fantatro ny Ahy, sady fantany Aho,

15. dia tahaka ny ahafantaran'ny Ray Ahy sy ny ahafantarako ny Ray; ary Izaho manolotra ny aiko hamonjy ny ondry.

16. Manana ondry hafa izay tsy amin'ity vala ity Aho; ary ireny koa dia tsy maintsy ho entiko ka hihaino ny feoko; ary ho tonga andiany iray izy, sady iray ihany ny Mpiandry.

17. Ary izany no itiavan'ny Raiko Ahy, satria Izaho manolotra ny aiko mba handraisako azy indray.

18. Tsy misy manaisotra ny aiko amiko, fa ny tenako ihany no manolotra azy. Manana fahefana hanolotra azy Aho, ary manana fahefana haka azy indray. Izany didy izany dia azoko tamin'ny Raiko.

19. Ary nisy fisarahana indray tao amin'ny Jiosy noho izany teny izany.

20. Ary maro tamin'ireo no nanao hoe: Manana demonia Izy ka efa very saina; nahoana no mihaino Azy ianareo?

Vakio ny toko manontolo Jaona 10