Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jaona 10:35-42 Malagasy Bible (MG1865)

35. Raha ireny izay nanaovana izany tenin'Andriamanitra izany no natao hoe andriamanitra (ary ny Soratra Masina tsy azo foanana),

36. moa Izay nohasinin'ny Ray ka nirahiny ho amin'izao tontolo izao va no ataonareo hoe: Miteny ratsy Hianao, satria hoy Izaho: Zanak'Andriamanitra Aho?

37. Raha tsy manao ny asan'ny Raiko Aho, dia aza mino Ahy.

38. Fa raha manao ihany kosa Aho, na dia tsy mino Ahy aza ianareo, dia minoa ny asa, mba ho fantatrareo sy hekenareo fa ny Ray no ato amiko, ary Izaho ao amin'ny Ray.

39. Dia nitady hisambotra Azy indray ny Jiosy; fa nandositra azy Izy.

40. Dia lasa nankany an-dafin'i Jordana indray Jesosy, ho any amin'ilay tany nanaovan'i Jaona batisa voalohany, ka nitoetra tany Izy.

41. Ary maro no nankeo aminy ka nanao hoe: Jaona tsy mba nanao famantarana, nefa izay rehetra nolazainy ny amin'ity Lehilahy ity dia marina avokoa.

42. Ary maro no nino Azy teo.

Vakio ny toko manontolo Jaona 10