Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jaona 10:28-39 Malagasy Bible (MG1865)

28. ary Izaho manome azy fiainana mandrakizay, ka tsy ho very izy mandrakizay, ary tsy hisy handrombaka azy amin'ny tanako.

29. Ny Raiko Izay nanome Ahy dia lehibe noho izy rehetra; ary tsy misy mahay mandrombaka amin'ny tanan'ny Ray.

30. Izaho sy ny Ray dia iray ihany.

31. Dia naka vato indray ny Jiosy hitoraka Azy.

32. Jesosy namaly azy hoe: Maro ny asa tsara nasehoko taminareo avy tamin'ny Ray; koa ny asa manao ahoana amin'ireny moa no itorahanareo vato Ahy?

33. Ny Jiosy namaly Azy hoe: Tsy asa tsara no itorahanay vato Anao, fa fitenenan-dratsy, satria olona ihany Hianao, nefa manao ny tenanao ho Andriamanitra.

34. Jesosy namaly azy hoe: Tsy voasoratra ao amin'ny lalànareo va hoe: Hoy Izaho: Andriamanitra ianareo? (Sal. 82. 6).

35. Raha ireny izay nanaovana izany tenin'Andriamanitra izany no natao hoe andriamanitra (ary ny Soratra Masina tsy azo foanana),

36. moa Izay nohasinin'ny Ray ka nirahiny ho amin'izao tontolo izao va no ataonareo hoe: Miteny ratsy Hianao, satria hoy Izaho: Zanak'Andriamanitra Aho?

37. Raha tsy manao ny asan'ny Raiko Aho, dia aza mino Ahy.

38. Fa raha manao ihany kosa Aho, na dia tsy mino Ahy aza ianareo, dia minoa ny asa, mba ho fantatrareo sy hekenareo fa ny Ray no ato amiko, ary Izaho ao amin'ny Ray.

39. Dia nitady hisambotra Azy indray ny Jiosy; fa nandositra azy Izy.

Vakio ny toko manontolo Jaona 10