Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jakoba 1:15-27 Malagasy Bible (MG1865)

15. Ary ny filàna, rehefa torontoronina, dia miteraka ota; ary ny ota, rehefa tanteraka, dia miteraka fahafatesana.

16. Aza mety hofitahina ianareo, sy rahalahy malalako.

17. Ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra dia avy any ambony ka midina avy amin'ny Rain'ny fanazavana, Izay tsy misy fiovaovana na aloka avy amin'ny fihodinana.

18. Tamin'ny sitrapony no niterahany antsika tamin'ny teny fahamarinana, mba ho santatry ny zavatra noforoniny isika.

19. Fantatrareo izany, sy rahalahy malalako. Kanefa aoka ny olona rehetra halady hihaino ho malai-miteny, ho malain-ko tezitra;

20. fa ny fahatezeran'ny olona tsy ahefana izay marina eo imason'Andriamanitra.

21. Koa ario ny fahalotoana sy ny lolompo rehetra, ary ekeo amin'ny fahalemem-panahy ny teny nambolena, izay mahavonjy ny fanahinareo.

22. Fa aoka ho mpankatò ny teny ianareo, fa aza mpihaino fotsiny ihany ka mamitaka ny tenanareo.

23. Fa raha misy mpihaino ny teny, nefa tsy mpankatò, dia toy ny olona mizaha ny tarehiny eo amin'ny fitaratra izy;

24. fa mijery ny tenany izy, dia lasa, ary miaraka amin'izay dia hadinony ny tarehiny.

25. Fa izay mandinika ny lalàna tanteraka, dia ny lalàn'ny fahafahana, ka maharitra amin'izany, raha tsy mpihaino manadino, fa mpanao ny asa, dia ho sambatra amin'ny asany izany olona izany.

26. Raha misy manao azy ho mpivavaka, nefa tsy mamehy ny vavany, fa mamitaka ny fony, dia zava-poana ny fivavahan'izany olona izany.

27. Izao no fivavahana madio sady tsy misy loto eo anatrehan'Andriamanitra Ray: ny mamangy ny kamboty sy ny mpitondratena amin'ny fahoriany, sy ny miaro ny tena tsy hisy pentimpentina avy amin'izao tontolo izao.

Vakio ny toko manontolo Jakoba 1