Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Hebreo 7:18-28 Malagasy Bible (MG1865)

18. Fa misy fahafoanana ny didy nialoha noho ny halemeny sy ny tsi-fanasoavany

19. (fa ny lalàna dia tsy nahatanteraka na inona na inona), ary misy kosa fampidirana ny fanantenana tsaratsara kokoa, izay anatonantsika an'Andriamanitra.

20. Ary tahaka an'i Melkizedeka tsy natao mpisorona raha tsy tamin'ny fianianana

21. - fa ireny kosa dia natao mpisorona tsy tamin'ny fianianana, fa Ity tamin'ny fianianana nataon'ilay nilaza taminy hoe: "Efa nianiana Jehovah ka tsy hanenina: Hianao no Mpisorona mandrakizay" (Sal. 110. 4)

22. - dia tahaka izany koa no nanaovana an'i Jesosy ho Mpiantoka ny fanekena tsara lavitra.

23. Fa natao maro ireny mpisorona ireny. satria tsy navelan'ny fahafatesana haharitra izy;

24. fa Izy kosa dia manana fisoronana tsy dimbiasana, satria maharitra mandrakizay Izy;

25. koa amin'izany dia mahavonjy tokoa izay manatona an'Andriamanitra amin'ny alalany Izy, satria velona mandrakizay hanao fifonana ho azy.

26. Fa Mpisoronabe tahaka izao no miendrika ho antsika: dia Izay masina, tsy misy tsiny, tsy misy loto, voasaraka amin'ny mpanota ka natao avo noho ny lanitra,

27. Izay tsy mila hanatitra fanatitra isan'andro tahaka ny ataon'ireny mpisoronabe ireny, voalohany noho ny otan'ny tenany, dia vao noho ny an'ny olona kosa; fa izany dia nataony indray mandeha ihany, raha nanatitra ny tenany Izy.

28. Fa ny lalàna dia manendry olona izay manana fahalemena ho mpisoronabe; fa ny tenin'ny fianianana kosa, izay tato aorian'ny lalàna, dia manendry ny Zanaka, Izay notanterahina ho mandrakizay.

Vakio ny toko manontolo Hebreo 7