Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Hebreo 7:17-23 Malagasy Bible (MG1865)

17. Fa Izy dia nambara hoe: "Hianao no Mpisorona mandrakizay Araka ny fanaon'i Melkizedeka" (Sal.110.4).

18. Fa misy fahafoanana ny didy nialoha noho ny halemeny sy ny tsi-fanasoavany

19. (fa ny lalàna dia tsy nahatanteraka na inona na inona), ary misy kosa fampidirana ny fanantenana tsaratsara kokoa, izay anatonantsika an'Andriamanitra.

20. Ary tahaka an'i Melkizedeka tsy natao mpisorona raha tsy tamin'ny fianianana

21. - fa ireny kosa dia natao mpisorona tsy tamin'ny fianianana, fa Ity tamin'ny fianianana nataon'ilay nilaza taminy hoe: "Efa nianiana Jehovah ka tsy hanenina: Hianao no Mpisorona mandrakizay" (Sal. 110. 4)

22. - dia tahaka izany koa no nanaovana an'i Jesosy ho Mpiantoka ny fanekena tsara lavitra.

23. Fa natao maro ireny mpisorona ireny. satria tsy navelan'ny fahafatesana haharitra izy;

Vakio ny toko manontolo Hebreo 7