Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Hebreo 2:1-8 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary amin'izany dia tokony hotandremantsika mafimafy kokoa izay efa rentsika, fandrao hindaosina hiala aminy isika.

2. Fa raha mafy ny teny izay nampilazaina ny anjely, ka samy voavaly marina avokoa ny fahadisoana rehetra mbamin'ny fahotana,

3. hataontsika ahoana no fandositra, raha tsy mitandrina izao famonjena lehibe izao isika? dia ilay nampilazaina ny Tompo tamin'ny voalohany, ary nohamafin'izay nandre tamintsika kosa,

4. sady Andriamanitra koa no niara-nanambara taminy tamin'ny famantarana sy ny fahagagana ary tamin'ny asa lehibe samy hafa sy ny fanomezana ny Fanahy Masina nozarazarainy araka ny sitrapony.

5. Fa tsy anjely no nampanekeny ny fiainana ho avy, izay lazainay.

6. Fa ny anankiray nanambara eo amin'ny teny iray hoe: "Inona ny olona, no ahatsiarovanao azy? Ary ny zanak'olombelona, no amangianao azy?

7. Nataonao ambany kely noho ny anjely izy; Efa nosatrohanao voninahitra sy fiandrianana izy, Ary nampanjakainao amin'ny asan'ny tananao;

8. Ny zavatra rehetra dia efa nanapanekenao ho eo ambanin'ny tongony" (Sal. 8.4-6). Fa tamin'ny nampanekeny azy ny zavatra rehetra, dia tsy nisy izay tsy nampanekeny azy. Nefa ankehitriny tsy mbola hitantsika fa efa ampanekena azy ny zavatra rehetra.

Vakio ny toko manontolo Hebreo 2