Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Hebreo 12:13-29 Malagasy Bible (MG1865)

13. ary manaova lala-mahitsy halehan'ny tongotrareo, mba tsy hampipitsoka ny tongotry ny mandringa, fa ny mba hahasitrana azy kosa.

14. Miezaha mitady fihavanana amin'ny olona rehetra ary fahamasinana; fa izay. tsy manam-pahamasinana dia tsy hahita ny Tompo.

15. Ary mitandrema tsara, fandrao hisy hiala amin'ny fahasoavan'Andriamanitra; fandrao hisy faka mangidy mitsimoka hampikorontana, ka ho voaloto ny maro;

16. fandrao hisy mpijangajanga na olona tsy manaja ny masina, dia tahaka an'i Esao, izay nivarotra ny fizokiany hahazoany hanina indraim-bava.

17. Fa fantatrareo fa rehefa afaka izany, raha ta-handova ny fitahiana izy, dia nolavina; fa tsy nahita izay hibebahana izy; na dia nitady fatratra tamin'ny ranomaso aza.

18. Fa ianareo tsy mby eo amin'izay tendrombohitra azo tsapaina sady mirehitra afo, dia eo amin'ny fahamaintisana sy ny aizina na sy ny tafio-drivotra

19. sy ny fanenon'ny trompetra ary ny feon'ny teny, ka izay nandre izany dia nangataka mba tsy hasian-teny intsony izy;

20. fa tsy tohany ilay nandidiana hoe: "Ary raha misy biby aza mikasika ny tendrombohitra, dia hotoraham-bato izany" (Eks. 19. 12, 13),

21. ary satria loza indrindra ny fahitana, dia hoy Mosesy: "Matahotra loatra sy mangovitra indrindra aho" (Deo. 9.19).

22. Fa ianareo kosa efa mby eo an-tendrombohitra Ziona, tanànan'Andriamanitra velona, dia Jerosalema any an-danitra, ary ho ao amin'ny anjely tsy omby alinalina,

23. amin'ny fihaonana fifaliana sy ny fiangonan'ny lahimatoa voasoratra any an-danitra, sy amin'Andriamanitra, Mpitsara ny olona rehetra, ary amin'ny fanahin'ny olona marina izay efa natao tanteraka,

24. sy amin'i Jesosy, Mpanalalana amin'ny fanekena vaovao, ary amin'ny rà famafazana, izay tsara lavitra noho ny an'i Abela.

25. Tandremo mba tsy holavinareo Izay miteny. Fa raha izy ireo tsy afa-nandositra tamin'ny nandavany ilay nilaza ny tenin'Andriamanitra taminy tetỳ ambonin'ny tany, mainka fa isika, raha mihodina miala amin'ilay avy any an-danitra,

26. Izay nampihorohoro ny tany fahiny tamin'ny feony; fa ankehitriny Izy efa nanao teny fikasana hoe: "Indray maka koa tsy ny tany ihany no hampihorohoroiko, fa ny lanitra koa" (Hag. 2.6).

27. Ary ny hoe "indray maka koa" dia manambara ny hanovana izay zavatra ampihorohoroina, toy ny zavatra natao, mba haharetan'izay zavatra tsy ampihorohoroina.

28. Koa satria mandray fanjakana tsy azo ampihorohoroina isika, dia aoka isika hanana fahasoavana ho entintsika manao izay fanompoana sitrak'Andriamanitra amin'ny fanajana sy ny fahatahorana;

29. fa Andriamanitsika dia afo mandevona (Deo. 4.24).

Vakio ny toko manontolo Hebreo 12