Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Hebreo 11:34-40 Malagasy Bible (MG1865)

34. namono ny fidedadedan'afo, afaka tamin'ny lelan-tsabatra, raha nalemy dia nampahatanjahina, tonga nahery tamin'ny ady, dia nampandositra ny miaramilan'ny firenena hafa.

35. Ny vehivavy nandray ny azy efa maty, fa natsangana ho velona indray; ary ny sasany nampijalijalina ho faty, nefa tsy mety nanao izay hahafahany, mba hahazoany fitsanganana tsara lavitra;

36. ary ny sasany niaritra fanesoana sy kapoka mafy ary fatorana sy tranomaizina koa;

37. notoraham-bato izy, notsofana, nalaim-panahy, novonoina tamin'ny sabatra, dia nirenireny nitafy hoditr'ondry sy hoditr'osy; efa lao, ory, fadiranovana

38. (nefa izao tontolo izao tsy miendrika ho nitoerany akory) dia nirenireny tany an-efitra sy tany an'tendrombohitra sy tany an-johy ary tao an-dava-tany izy.

39. Ary ireo rehetra ireo, na dia efa nahazo laza tsara noho ny finoana aza, dia tsy mba nandray ny teny fikasana,

40. fa Andriamanitra efa namboatra izay tsara lavitra ho antsika, mba tsy hatao tanteraka ireo raha tsy efa mby eo koa isika.

Vakio ny toko manontolo Hebreo 11