Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Galatiana 5:6-15 Malagasy Bible (MG1865)

6. Fa ao amin'i Kristy Jesosy dia tsy mahasoa na ny famorana na ny tsi-famorana, fa ny finoana izay miasa amin'ny fitiavana.

7. Hianareo nihazakazaka tsara, iza no nisakana anareo tsy hanaiky ny marina?

8. Izany fitaomana izany dia tsy avy tamin'ilay miantso anareo.

9. Ny masirasira kely dia mahatonga ny vongana rehetra ho masirasira avokoa.

10. Izaho matoky anareo ao amin'ny Tompo fa tsy hisaina zavatra hafa akory ianareo; fa ilay mampitabataba anareo no hiharan'ny fanamelohana, na zovy na zovy izy.

11. Fa izaho, ry rahalahy, raha mbola mitory ny famorana ihany, nahoana aho no mbola enjehina? Dia afaka tokoa ny fahatafintohinana noho ny hazo fijaliana.

12. Enga anie ka hiesotra aza izay mampitabataba anareo.

13. Fa efa nantsoina ho amin'ny fahafahana ianareo, ry rahalahy; kanefa aoka tsy ho entinareo hanaraka ny nofo izany fahafahana izany, fa mifampanompoa amin'ny fitiavana.

14. Fa tanteraka amin'ny teny iray ihany ny lalàna rehetra, dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Lev. 19. 18).

15. Fa raha mifandramatra sy mifampihinana ianareo, tandremo fandrao mifandringana.

Vakio ny toko manontolo Galatiana 5