Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Galatiana 5:17-26 Malagasy Bible (MG1865)

17. Fa ny nofo manohitra ny Fanahy, ary ny Fanahy manohitra ny nofo; ary mifanohitra izy roroa, mba tsy hahazoanaroeo manao izay zavatra tianareo.

18. Fa raha tarihin'ny Fanahy ianareo, dia tsy mba ambanin'ny lalàna.

19. Fa miharihary ny asan'ny nofo, dia izao: Fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana,

20. fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adi-lahy, fiafonafonana, fifampiandaniana, fisarahana, fitokoana,

21. fialonana, fahamamoana, filalaovan-dratsy, ary ny toy izany, izay lazaiko aminareo rahateo, tahaka ny voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan'Andriamanitra.

22. Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana,

23. fahalemem-panahy, fahononam-po; tsy misy lalàna manohitra izany.

24. Fa izay an'Kristy Jesosy dia efa nanombo ny nofony mbamin'ny faniriany sy ny filany tamin'ny hazo fijaliana.

25. Raha velon'ny Fanahy isika, dia aoka handeha araka ny Fanahy.

26. Aoka isika tsy handrani-tena foana ka hifampihaika sy hifampialona.

Vakio ny toko manontolo Galatiana 5