Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Galatiana 3:18-29 Malagasy Bible (MG1865)

18. Fa raha avy amin'ny lalàna ny lova, dia tsy avy amin'ny teny fikasana intsony; nefa tamin'i Abrahama dia teny fikasana no nanomezan'Andriamanitra azy.

19. Inona ary ny lalàna ? Nanampy noho ny fahadisoana izy ambara-pihavin'ny taranaka izay nomena ny teny fikasana; ary nalahatr'anjely teo an-tànan'ny mpanalalana izany.

20. Ary ny mpanalalana dia tsy an'ny irery, fa Andriamanitra dia iray ihany.

21. Ka moa manohitra ny teny fikasan'Andriamanitra va ny lalàna? Sanatria izany! Fa raha nisy lalàna mahavelona nomena, dia avy tamin'ny lalàna tokoa ny fahamarinana

22. Fa ny Soratra Masina efa nanidy azy rehetra teo amin'ny fahotana, mba homena ny mino ny teny fikasana noho ny finoana an i Jesosy Kristy.

23. Fa fony tsy mbola tonga ny finoana, dia voambina tao ambanin'ny lalàna isika ka voahidy ho amin'ny finoana izay efa haseho ato aoriana.

24. Koa ny lalàna dia mpitaiza antsika ho amin'i Kristy, mba hohamarinina noho ny finoana isika.

25. Fa rehefa tonga ny finoana, dia tsy fehezin'izay mpitaiza intsony isika.

26. Fa ianareo rehetra dia zanak'Andriamanitra amin'ny finoana an'i Kristy Jesosy.

27. Fa na iza na iza ianareo no natao batisa ho an'i Kristy dia nitafy an'i Kristy.

28. Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy; fa iray ihany ianareo rehetra ao amin'i Kristy Jesosy.

29. Fa raha an'i Kristy ianareo, dia taranak'i Abrahama sy mpandova araka ny teny fikasana.

Vakio ny toko manontolo Galatiana 3