Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Galatiana 1:7-15 Malagasy Bible (MG1865)

7. izay tsy filazantsara akory, fa saingy misy ny sasany mampitabataba anareo ka ta-hamadika ny filazantsaran'i Kristy.

8. Fa na izahay, na anjely avy any an-danitra aza, no mitory filazantsara hafa aminareo afa-tsy izay efa notorinay taminareo, aoka ho voaozona izy.

9. Araka ny voalazanay fahiny no lazaiko indray ankehitriny: Raha misy olona mitory filazantsara hafa aminareo, afa-tsy izay efa noraisinareo, aoka ho voaozona izy,

10. Ary ankehitriny, olona va no ilako fitia, sa Andriamanitra? Sa mila sitraka amin'olona aho? Raha mbola mila sitraka amin'olona aho, dia tsy mpanompon'i Kristy.

11. Fa ampahafantariko anareo, ry rahalahy, ny amin'ny filazantsara izay notoriko, fa tsy araka ny fanaon'ny olona izany.

12. Fa izaho tsy nandray azy tamin'olona, ary tsy mba nampianarina aho, fa tamin'ny fanambaran'i Jesosy Kristy ihany.

13. Fa efa renareo ny toetro fahiny tamin'ny fivavahan'ny Jiosy, fa nanenjika ny fiangonan'Andriamanitra efa izay tsy izy aho ka nandrava azy;

14. ary nandroso tamin'ny fivavahan'ny Jiosy mihoatra noho ny maro izay indray mihira amiko eo amin'ny fireneko aho ka fatra-pitana ny fampianarana voatolotry ny razako indrindra.

15. Fa raha sitrak'Andriamanitra, Izay nanokana ahy hatrany an-kibon'ineny ny niantso ahy tamin'ny fahasoavany,

Vakio ny toko manontolo Galatiana 1