Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Galatiana 1:16-24 Malagasy Bible (MG1865)

16. ny nampiseho ny Zanany tato anatiko, mba hitoriako Azy any amin'ny jentilisa, niaraka tamin'izay dia tsy naka saina tamin'ny nofo aman-drà aho,

17. ary tsy niakatra tany Jerosalema ho any amin'izay Apostoly talohako aho, fa lasa nankany Arabia, dia niverina ho any Damaskosy indray.

18. Ary rehefa afaka telo taona, dia niakatra tany Jerosalema hamangy an'i Kefasy aho ka nitoetra tao aminy dimy ambin'ny folo andro.

19. Nefa ny Apostoly sasany dia tsy nisy hitako afa-tsy Jakoba, rahalahin'ny Tompo.

20. Ary izay zavatra soratako aminareo, indro, eo anatrehan'Andriamanitra fa tsy mandainga aho.

21. Rehefa afaka izany, dia tonga tany amin'ny tany Syria sy Kilikia aho;

22. ary tsy mbola fantatry ny fiangonana any Jodia, izay ao amin'i Kristy, ny tarehiko.

23. Fa nandre ihany izy hoe: Ilay mpanenjika antsika fahiny, indro izy ankehitriny mitory ny finoana izay noravany fahiny .

24. Ary dia nankalazany an'Andriamanitra aho.

Vakio ny toko manontolo Galatiana 1