Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Filipiana 3:15-21 Malagasy Bible (MG1865)

15. Koa aoka isika rehetra izay tanteraka hihevitra izany; fa hasehon'Andriamanitra aminareo izany, raha sendra manana sain-kafa ianareo.

16. Kanefa aoka ho amin'ilay efa azontsika sahady no mbola hizorantsika.

17. Ry rahalahy, aoka samy hanahaka ahy ianareo, ka diniho izay mandeha tahaka ny anananareo anay ho marika.

18. Fa maro no mandeha, izay efa nolazaiko taminareo matetika, sady mbola lazaiko aminareo amin'ny fitomaniana koa ankehitriny, fa fahavalon'ny hazo fijalian'i Kristy ireny;

19. fahaverezana no hiafarany, ny kibony no andriamaniny, ny fahamenarany no voninahiny, fa misaina ny amin'ny tany izy.

20. Fa ny fanjakantsika dia any an-danitra, ary avy any koa no iandrasantsika Mpamonjy, dia Jesosy Kristy Tompo,

21. Izay hanova ny tenan'ny fietren-tenantsika ka hitovy endrika amin'ny tenan'ny voninahiny, araka ny fiàsan'ny heriny, izay ahaizany hampanaiky ny zavatra rehetra ho Azy.

Vakio ny toko manontolo Filipiana 3