Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Filipiana 2:4-15 Malagasy Bible (MG1865)

4. Aza samy mihevitra ny azy ihany, fa samy ny an'ny namany koa.

5. Aoka ho ao aminareo izao saina izao, izay tao amin'i Kristy Jesosy koa,

6. Izay, na dia nanana ny endrik'Andriamanitra aza, dia tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin'Andriamanitra,

7. fa nofoanany ny tenany tamin'ny nakany ny endriky ny mpanompo sy nahatongavany ho manam-pitoviana amin'ny olona;

8. ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy, dia nanetry tena ka nanaiky hatramin'ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin'ny hazo fijaliana.

9. Koa izany no nanandratan'Andriamanitra Azy indrindra sy nanomezany Azy ny anarana izay ambony noho ny anarana rehetra,

10. mba ho amin'ny anaran'i Jesosy no handohalehan'ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra, na ny etỳ an-tany, na ny any ambanin'ny tany,

11. sy haneken'ny lela rehetra fa Jesosy Kristy no Tompo ho voninahitr'Andriamanitra Ray.

12. Koa amin'izany, ry malalako, tahaka ny nanekenareo mandrakariva, tsy fony teo aminareo ihany aho, fa ankehitriny dia bebe kokoa aza raha tsy eo aho, miasà amin'ny tahotra ny ny hovitra hahatanteraka ny famonjena anareo.

13. Fa Andriamanitra no miasa ao anatinareo na ny fikasana na ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapony.

14. Ataovy ny zavatra rehetra amin'ny tsi-fimonomononana sy ny tsi-fisalasalana,

15. mba ho tsy manan-tsiny sady tsy misy fitaka ianareo, dia zanak'Andriamanitra tsy manana adidy eo amin'ny firenena meloka sy maditra, izay isehoanareo tahaka ny fanazavana eo amin'izao tontolo izao,

Vakio ny toko manontolo Filipiana 2