Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Filipiana 2:3-8 Malagasy Bible (MG1865)

3. tsy manao na inona na inona amin'ny fifampiandaniana, na mandrani-tena foana fa amin'ny fanetren-tena dia aoka samy hanao ny namany ho mihoatra noho ny tenany.

4. Aza samy mihevitra ny azy ihany, fa samy ny an'ny namany koa.

5. Aoka ho ao aminareo izao saina izao, izay tao amin'i Kristy Jesosy koa,

6. Izay, na dia nanana ny endrik'Andriamanitra aza, dia tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin'Andriamanitra,

7. fa nofoanany ny tenany tamin'ny nakany ny endriky ny mpanompo sy nahatongavany ho manam-pitoviana amin'ny olona;

8. ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy, dia nanetry tena ka nanaiky hatramin'ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin'ny hazo fijaliana.

Vakio ny toko manontolo Filipiana 2