Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Filemona 1:11-18 Malagasy Bible (MG1865)

11. ilay tsy nahasoa anao fahiny, nefa ankehitriny mahasoa antsika, dia ianao sy izaho;

12. izay nampodiko indray, dia ilay sombin'ny aiko;

13. saiky nohazoniko tatỳ amiko izy hanompo ahy hisolo anao eto amin'ny fifatorako noho ny filazantsara;

14. nefa raha tsy nahalala izay hevitrao aho aloha, dia tsy ta-hanao na inona na inona, mba tsy ho toy ny amin'ny fanerena ny soa ataonao, fa amin'ny sitrapo.

15. Fa izany angaha no nialany vetivety, dia ny mba hanananao azy mandrakizay,

16. tsy toy ny andevo intsony anefa, fa efa mihoatra noho ny andevo, dia rahalahy malala, indrindra fa ho ahy, mainka fa ho anao, na amin'ny nofo, na amin'ny Tompo.

17. Koa raha ataonao ho namanao aho, dia raiso toa ahy izy.

18. Nefa raha nanao izay tsy marina taminao izy, na mitrosa, dia ataovy ho ahy izany;

Vakio ny toko manontolo Filemona 1