Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Filemona 1:1-10 Malagasy Bible (MG1865)

1. Paoly, mpifatotra an'i Kristy Jesosy, ary Timoty rahalahy, mamangy an'i Filemona, izay malalanay sy mpiara-miasa aminay,

2. ary mamangy an'i Apia anabavinay sy Arkipo, miaramila namantsika, ary ny fiangonana ao an-tranonao:

3. ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.

4. Misaotra an'Andriamanitro mandrakariva aho, raha mahatsiaro anao amin'ny fivavahako,

5. satria reko ny fitiavanao sy ny finoana izay anananao ho an'i Jesosy Tompo sy ho an'ny olona masina rehetra,

6. mba hiasa mafy ho an'i Kristy ny fiombonana avy amin'ny finoanao amin'ny fahalalana tsara ny zavatra rehetra izay ao anatinareo.

7. Fa nanana fifaliana sy fiononana amin'ny fitiavanao aho, satria efa novelombelominao ny fon'ny olona masina, ry rahalahy.

8. Koa na dia manana fahasahiana be ao amin'i Kristy handidy anao amin'izay mendrika aza aho,

9. nefa noho ny fitiavana, izaho Paoly, izay efa anti-panahy sady mpifatotra an'i Kristy Jesosy koa ankehitriny, dia miangavy aminao.

10. Eny, miangavy aminao aho ny amin'ny zanako, izay naterako teto amin'ny fifatorako, dia Onesimosy,

Vakio ny toko manontolo Filemona 1