Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Efesiana 4:7-11 Malagasy Bible (MG1865)

7. Fa samy nomena ny fahasoavana araka ny ohatry ny fanomezan'i Kristy avy isika rehetra.

8. Koa izany no ilazany hoe: Raha niakatra ho any amin'ny avo Izy, dia nitondra olona maro ho babo Ka nanome fanomezana ho an'ny olona (Sal. 68. 18).

9. (Ary ny amin'ny hoe niakatra, inona moa izany, afa-tsy ny efa nidina ho any ambanin'ny tany koa?

10. Izay nidina, dia Izy koa no Ilay niakatra any ambonin'ny lanitra rehetra, hamenoany ny zavatra rehetra.)

11. Ary Izy no nanome ny sasany ho Apostoly, ary ny sasany ho mpaminany, ary ny sasany ho evanjelista, ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra,

Vakio ny toko manontolo Efesiana 4