Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Efesiana 4:21-32 Malagasy Bible (MG1865)

21. raha Izy tokoa no renareo ka tao aminy no nampianarana anareo, araka ny fahamarinana izay ao amin'i Jesosy,

22. mba hialanareo ny toetrareo taloha araka ny fitondran-tenanareo fahiny, izay mihasimba araka ny filan'ny fitaka;

23. fa mba hohavaozina kosa ianareo amin'ny fanahin'ny sainareo,

24. ary mba hotafinareo ny toetra vaovao, izay noforonina araka an'Andriamanitra amin'ny fahitsiana sy ny fahamasinana momba ny fahamarinana.

25. Koa esory ny lainga, ka samia milaza ny marina amin'ny namany avy ianareo rehetra; fa samy isan'ny momba ny tenan'ny namantsika avokoa isika.

26. Tezera, fa aza manota; ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo.

27. Aza manome fitoerana ho an'ny devoly.

28. Aoka izay nangalatra tsy hangalatra intsony; fa aleo hikely aina ka hiasa izay tsara amin'ny tànany, mba hisy homeny izay tsy manana.

29. Aoka tsy haloaky ny vavanareo izay teny maloto, fa izay tsara ho fampandrosoana, araka izay tokony hanaovana, mba hahazoan'ny mihaino fahasoavana.

30. Ary aza mampalahelo ny Fanahy Masin'Andriamanitra, Izay nanisiana tombo-kase anareo ho amin'ny andro fanavotana.

31. Esory aminareo ny fo-lentika rehetra sy ny fahavinirana sy ny fahatezerana sy ny fitabatabana sy ny fitenenan-dratsy ary ny lolompo rehetra;

32. ary aoka samy halemy fanahy amin'ny namany avy ianareo, ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan'Andriamanitra ny helokareo ao amin'i Kristy.

Vakio ny toko manontolo Efesiana 4