Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Efesiana 4:2-9 Malagasy Bible (MG1865)

2. amin'ny fanetren-tena rehetra sy ny fahalemem-panahy, amin'ny fahari-po mifandefitra amin'ny fitiavana,

3. mazoto mitana ny firaisana avy amin'ny Fanahy amin'ny fehim-pihavanana.

4. Iray ny tena, ary iray ny Fanahy, dia toy ny niantsoana anareo ho amin'ny fanantenana iray momba ny fiantsoana anareo;

5. iray ny Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa,

6. iray Andriamanitra sady Rain'izy rehetra, Izay ambonin'izy rehetra sy manerana azy rehetra ary ao amin'izy rehetra.

7. Fa samy nomena ny fahasoavana araka ny ohatry ny fanomezan'i Kristy avy isika rehetra.

8. Koa izany no ilazany hoe: Raha niakatra ho any amin'ny avo Izy, dia nitondra olona maro ho babo Ka nanome fanomezana ho an'ny olona (Sal. 68. 18).

9. (Ary ny amin'ny hoe niakatra, inona moa izany, afa-tsy ny efa nidina ho any ambanin'ny tany koa?

Vakio ny toko manontolo Efesiana 4